Faminaniana 2. Mosary
Faminaniana 2. Mosary
“Hisy mosary.”—MARKA 13:8.
● Noana ny lehilahy iray, ka nitady vonjy tany Quaratadji, any Niger. Nandositra mosary koa ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ny zanak’olo-mpiray tam-po amin’ny reniny, ka niala tany amin’ny faritra nisy azy. Ilay lehilahy irery anefa no matory eo ambony tsihy. Nahoana? Hoy i Sidi, lehiben’ny tanàna: “Tsy velony [ny fianakaviany] ka tsy tantiny intsony ny hijery fotsiny azy ireo.”
INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Efa ho olona 1 isaky ny 7 eran-tany no tsy ampy sakafo isan’andro. Mbola ratsy noho izany aza ny any Afrika atsimon’i Sahara, satria ny ampahatelon’ny olona no mosarena mandritra ny fotoana ela be. Eritrereto hoe misy fianakaviana iray ahitana ray, reny, ary zazakely iray. Iza no tsy hihinana, raha sakafo ho an’olon-droa monja no ananan’izy ireo? Ilay ray ve, sa ilay reny, sa ilay zaza? Tsy maintsy misafidy toy izany ny fianakaviana maro isan’andro.
INONA NO HEVITRY NY OLONA? Mamokatra sakafo mihoatra noho izay ilaina ny tany, fa mila tsinjaraina tsara fotsiny.
MITOMBINA VE IZANY? Marina fa afaka mamokatra sy manondrana sakafo maro be noho ny hatramin’izay ny tantsaha. Tokony ho vitan’ny fitondram-panjakan’olombelona koa ny hitsinjara ny sakafo vokatry ny tany, mba tsy hisian’ny mosary. Tsy nahavita izany anefa izy ireo, na dia efa nanandrana nandritra ny am-polony taona aza.
AHOANA NY HEVITRAO? Tanteraka ve ny Marka 13:8? Tsy mampijaly ny olona eran-tany ve ny mosary, na dia mandroso be aza ny teknolojia?
Ny horohoron-tany sy ny mosary mazàna no mahatonga an’ilay lafiny fahatelo mampiavaka ny andro farany.
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Ankizy maro no matin’ny pnemonia sy aretim-pivalanana ary aretina hafa. Tsy tokony ho faty anefa ny ampahatelony mahery amin’izy ireo raha ampy sakafo tsara.”—ANN VENEMAN, MPITANTANA TEO ALOHA NY SAMPAN-DRAHARAHAN’NY ONU MIKARAKARA NY RENY SY NY ZAZA.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
© Paul Lowe/Panos Pictures