Ahoana Raha i Jesosy no Anontaniana?
Ahoana Raha i Jesosy no Anontaniana?
Mpivavaka maro no milaza fa tokony hiaraka ny fivavahana sy ny politika. Mino izy ireo fa hahavaha ny olana mahazo ny olombelona ny fivavahana, raha miara-miasa amin’ny fanjakana. Misy mpivavaka koa anefa milaza fa tsy tokony hiaraka ny fivavahana sy ny politika. Ary ahoana ny hevitrao?
MISY milaza fa ‘raha ny fivavahana no resahina, dia izay nolazain’i Jesosy sy nataony no tena nisy vokany tamin’ny olona.’ Inona àry no mety holazainy raha izy no hanontaniana hoe tokony hiditra amin’ny politika ve ny fivavahana? Hita tamin’ny teniny sy izay nataony tetỳ an-tany ny heviny. Nanoro izay tokony hataon’ny mpianany, ohatra, izy rehefa nanao an’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’izany.
Tsy mitoka-monina
Natoron’i Jesosy ny mpanara-dia azy izay tokony hataon’izy ireo. Hoy izy: ‘Ianareo no siran’ny tany. Raha tonga matsatso anefa ny sira, ahoana no hamerenana ny tsirony? Tsy azo ampiasaina na amin’inona na amin’inona intsony izy, fa hatsipy any ivelany hohitsakitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’ (Matio 5:13-16) Nahoana i Jesosy no nilaza fa toy ny sira sy jiro ny mpanara-dia azy?
Toy ny sira sy jiro ho an’ny olona rehetra izy ireo, fa tsy ho an’ny olona vitsivitsy fotsiny. Te hilaza àry i Jesosy hoe tsy tokony hitokantokana mihitsy ny mpanara-dia azy, fa hiaraka amin’ny olona rehetra.
Tsy afaka miaro ny sakafo tsy ho simba ny sira raha tsy afangaro amin’ilay sakafo mihitsy. Tsy afaka manazava efitra maizina iray koa ny jiro raha tsy atao ao amin’ilay efitra. Toy izany koa fa tsy maintsy miaraka amin’ny fiaraha-monina ny Kristianina vao hitondra soa ho azy ireo. Tsy nandidy ny mpianany mihitsy àry i Jesosy hoe tokony hitoka-monina ao amin’ny faritra iray izy ireo, ka ry zareo irery no hiara-miaina.
“Tsy anisan’izao tontolo izao”
Nomen’i Jesosy toromarika hafa koa ny mpanara-dia azy. Hoy izy rehefa nivavaka momba azy ireo talohan’ny nahafatesany: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Tokony hanao politika àry ve izany ny Kristianina? Ary ahoana izany hoe tsy anisan’izao tontolo izao izany, nefa koa miara-miaina amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao? Andeha isika handinika an’ireto fanontaniana telo ireto mba hahalalantsika izany:
• Ahoana ny hevitr’i Jesosy momba ny politika?
• Tokony hanao politika ve ny Kristianina?
• Misy vokany amin’ny olona ve ny zavatra ampianarin’ny Kristianina?
[Teny notsongaina, pejy 4]
Tsy nandidy ny mpianany mihitsy i Jesosy hoe tokony hitoka-monina ao amin’ny faritra iray izy ireo