Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpiandry Ondry
“Toy ny mpiandry ondry izy ka handrasany ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny.”—ISAIA 40:11.
VOARESAKA imbetsaka ao amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy ny hoe mpiandry ondry. (Genesisy 4:2; Apokalypsy 7:17) Mpiandry ondry, ohatra, i Abrahama sy Mosesy ary Davida Mpanjaka. Kanto erỳ ny fomba nilazan’i Davida ny andraikitry ny mpiandry ondry be fitiavana. Nisy salamo nosoratan’i Asafa aza nilaza fa mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra fahiny i Davida.—Salamo 78:70-72.
Mbola be dia be ny olona niandry ondry tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Jesosy. I Jesosy mihitsy aza no nilaza fa “mpiandry tena tsara” izy. Matetika izy no niresaka ny toetran’ny mpiandry ondry be fitiavana rehefa nisy hevitra lehibe tiany hampianarina. (Jaona 10:2-4, 11) Na i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, aza ampitahaina amin’ny “mpiandry.”—Isaia 40:10, 11; Salamo 23:1-4.
Inona tokoa no tafiditra amin’ny asan’ny mpiandry ondry? Inona no azontsika ianarana avy amin’ireny olona niasa mafy ireny?
Ondry sy osy
Isan-karazany ny biby nandrasan’ny mpiandry ondry tany Israely fahiny. Anisan’izany ny ondry avy any Syria. Ngezabe ny rambony ary matevina be ny volony. Nisy tandroka ny ondry lahy fa tsy toy ny vavy. Mora andrasana izy ireny satria malemy paika, saingy mora azon’ny biby mpiremby.
Niandry osy koa ny mpiandry ondry. Mainty na volontsôkôlà ny volon’ny osy. Sady lava no mirangaranga ny sofiny ka mora maratran’ny tsilo sy kirihitra, rehefa mianikanika eny amin’ny tehezan-kavoana izy mba hiraoka ahitra.
Sarotra matetika ny mampianatra baiko ny ondry sy ny osy. Na izany aza, dia manam-paharetana ny mpiandry ondry be fitiavana ka mikarakara tsara ny ondry andrasany. Omeny anarana mihitsy aza izy ireo.—Jaona 10:14, 16.
Ny fanaon’ny mpiandry ondry mandritra ny taona
Avoakan’ilay mpiandry ondry isan’andro avy ao anaty valany ny ondry rehefa lohataona, mba hiraoka ahitra maitso mavana eo amin’ny tanimbilona eo akaiky eo. Eo akaikin’ny tranony no misy an’ilay vala. Miteraka ny ondry sy osy amin’io vanim-potoana io ka mitombo ny isany. Amin’io koa no hetezana ny volon’ondry nilainy tamin’ny ririnina. Manao fety be ny mpiandry ondry amin’izay.
Mety ho vitsivitsy ihany ny ondrin’ny olona iray. Matetika àry izy no nanakarama mpiandry ondry mba hanambatra ny ondriny amin’ny andian’ondry hafa. Nalaza ho nanao an-kilabao ny ondrin’olon-kafa ny mpiandry ondry nokaramaina.—Jaona 10:12, 13.
Matetika no roahin’ny mpiandry mankeny an-tanimbary ny ondry rehefa tapitra ny fijinjana vary. Eny izy ireo no miraoka ahitra vao mitsiry sy mihinana izay vary tavela miaraka amin’ny mololo. Rehefa vanin-taona mafana, dia entin’ny mpiandry eny amin’ny toerana avoavo kokoa ny ondriny, mba ho eny amin’ny kijana mangatsiatsiaka. Mijanona miandry an’ireo ondry any amin’ilay kijana mandritra ny alina mihitsy aza ny mpiandry. Mety horoahiny hiditra ao anaty lava-bato indraindray ny ondry mandritra ny alina, mba hiarovana azy ireo amin’ny alikadia sy ny hyena. Raha sendra matahotra ny ondry rehefa maheno ny feona hyena, dia tambatambazan’ilay mpiandry izy ireo mba ho tony.
Hamarinin’ilay mpiandry ny isan’ny ondry isan-kariva, ary jereny raha salama tsara izy ireo. Rehefa maraina ny andro, dia antsoiny izy ireo ary manaraka azy mankany amin’ny kijana. (Jaona 10:3, 4) Entiny misotro rano any amin’ny dobo misy rano mangatsiatsiaka ny ondry rehefa antoandro ny andro. Raha ritra anefa ilay dobo, dia entiny any amin’ny lavadrano izy ireo ka eny izy no misintona rano ho azy ireo.
Rehefa ho tapitra ny vanin-taona mafana, dia mety hafindran’ilay mpiandry any an-dohasaha na eny an-tany lemaka ny ondry. Roahiny hody
izy ireo rehefa avy ny orana, ka ampidiriny ao am-balany mandritra ny ririnina. Raha tsy izany mantsy, dia ho faty izy ireo raha tratran’ny oram-baratra sy havandra ary lanezy. Tsy avelan’ny mpiandry hiraoka ahitra any ivelany mihitsy ny ondry mandra-pahatongan’ny lohataona.Ampy fitaovana ny mpiandry ondry
Tsotra kely ny akanjon’ny mpiandry ondry nefa tsy mora simba. Mety hanao akanjo vita amin’ny volon’ondry izy ka ilay volombolony iny no ataony anatiny, ary mbola manao akanjo lava manolo-koditra izy. Miaro azy amin’ny orana sy hatsiaka amin’ny alina izany. Manao kapa izy mba hiarovany ny tongony amin’ny tsilo sy vato maranitra, ary manao saron-doha vita amin’ny lamba volonondry izy.
Matetika ny mpiandry ondry no mitondra harona hoditra fasiany sakafo, toy ny mofo, oliva, voankazo maina, ary fromazy. Mitondra antsy sy tsorakazo misy vato maranitra miraikitra eny amin’ny lohany koa izy. Iray metatra eo ho eo matetika ny halavan’ilay tsorakazo ary mety tsara atao fitaovam-piadiana izy io. Manana hazo hitehenana rehefa mandeha na mianikanika izy. Mivatsy tavoahangy be izy hasiany rano hosotroina, siô mety aforitra hisintonany rano avy ao anaty lavadrano, ary pilotra hitorahana vato eny akaikin’izay ondry na osy mitady hania. Natao hampitahorana azy ireo hiverina ilay vato ary handroahana izay bibidia mihaodihaody. Mitondra sodina vita amin’ny bararata koa izy mba hanalany andro sy hampitonena ny ondry.
Ho takalon’ny fikarakarana ny ondry, dia mahazo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ny mpiandry ondry, ohatra hoe ronono sy hena. Nampiasaina mba hatao takalo na hanaovana akanjo sy tavoahangy koa ny hodiny sy ny volony. Nanamboarana lamba kosa ny volon’osy ary samy natao fanatitra na ny ondry na ny osy.
Mendrika ny hotahafina
Nazoto sy azo itokisana ary be herim-po ny mpiandry ondry be fitiavana. Sahy nanao vivery ny ainy mihitsy aza izy ireny mba hiarovana ny andian’ondry.—1 Samoela 17:34-36.
Tsy mahagaga àry raha nampirisika ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana i Jesosy sy ny mpianany mba hanahaka ny mpiandry ondry. (Jaona 21:15-17; Asan’ny Apostoly 20:28) Toy ny mpiandry ondry be fitiavana fahiny ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Miezaka mafy izy ireo ‘miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra, tsy an-tery fa an-tsitrapo, ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina fa amim-paharisihana kosa.’—1 Petera 5:2.