Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

“Inona no Voalohany Amin’ny Didy Rehetra?”

“Inona no Voalohany Amin’ny Didy Rehetra?”

Inona no zavatra takin’Andriamanitra amintsika? Manome lalàna be dia be tsy maintsy harahina ve izy? Soa ihany fa tsy manao an’izany izy. Nilaza i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, fa teny iray monja dia efa mahalaza ny zavatra takin’Andriamanitra amintsika.—Vakio ny Marka 12:28-31.

Andeha isika handinika izay nitranga tamin’ny fotoana nilazan’i Jesosy an’izany. Nampianatra tao amin’ny tempoly izy tamin’ny andro faha-11 amin’ny volana Nisana, ary efa andro vitsivitsy sisa izy dia ho faty. Nitady hamandrika azy ny fahavalony ka nametraka fanontaniana be dia be nampiady hevitra. Isaky ny namaly anefa i Jesosy, dia gina tsy nahateny izy ireo. Avy eo i Jesosy nisy nanontany hoe: “Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”—Andininy 28.

Tena mamandrika izany fanontaniana izany! Nisy 600 mahery mantsy ny lalàna tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Ary nisy Jiosy niady hevitra hoe iza tamin’ireo lalàna ireo no ambony indrindra. Ny sasany indray mety ho nilaza fa nitovy daholo ny lalàna rehetra ka tsy mety ny mieritreritra hoe misy lalàna ambony kokoa noho ny sasany. Ahoana àry no namalian’i Jesosy an’ilay fanontaniana?

Didy anankiroa fa tsy iray no nolazain’i Jesosy. Izao, hoy izy, ny voalohany: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Andininy 30; Deoteronomia 6:5) Misy ifandraisany ny hoe ‘fo’, ‘tena’, ‘saina’, ary ‘hery’, satria samy manondro ny maha izy an’ilay olona manontolo. Te hanamafy àry i Jesosy fa raha tia an’i Jehovah isika, dia hampiasaintsika ho azy ny fahaizantsika sy izay ananantsika rehetra. Hoy ny boky iray momba izany: “Tokony ho tia tanteraka an’Andriamanitra isika.” Raha tia an’Andriamanitra àry ianao, dia hanao izay fara herinao isan’andro mba hampifaliana azy.—1 Jaona 5:3.

Izao indray ny didy faharoa nolazain’i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Andininy 31; Levitikosy 19:18) Tsy afa-misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. Rehefa tia an’Andriamanitra mantsy ny olona iray, dia lasa tia namana koa. (1 Jaona 4:20, 21) Raha tia namana isika, dia izay tiantsika hataony amintsika no ataontsika aminy. (Matio 7:12) Asehontsika amin’izany fa tiantsika Andriamanitra, izay namorona antsika sy ny namantsika tahaka ny endriny.—Genesisy 1:26.

Teny iray monja dia efa mahalaza ny zavatra takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony, dia ny fitiavana

Tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny namana tokoa ve isika? Hoy i Jesosy: “Tsy misy didy lehibe noho ireo.” (Andininy 31) Miankina amin’ireo didy roa ireo, hoy izy, ny didy hafa rehetra.—Matio 22:40.

Tsy sarotra ny mampifaly an’Andriamanitra. Teny iray monja dia efa mahalaza ny zavatra takiny, dia ny fitiavana. Izany foana hatramin’izay no notakiny tamin’ny mpanompony, ary mbola izany ihany no hotakiny. Tsy fihetseham-po fotsiny anefa ilay hoe tia. Tsy amin’ny teny fotsiny koa no ahitana izany, fa amin’ny atao koa. (1 Jaona 3:18) Fantaro àry hoe ahoana no azonao ampisehoana fa tianao i Jehovah, ilay Andriamanitra “fitiavana”!1 Jaona 4:8.

Famakiana Baiboly amin’ny Martsa

Marka 9-16Lioka 1-6