Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA NO RESAHIN’NY BAIBOLY?

Ahoana no Nampisy Antsika?

Ahoana no Nampisy Antsika?

Hoy ny Genesisy, ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Namorona an’i Adama sy Eva izy rehefa avy namorona ny zavamaniry sy ny biby. Tsy toy ny biby izy ireo, satria afaka manahaka ny toetran’Andriamanitra. Manana safidy malalaka, ohatra, izy ireo, ka tompon’andraikitra amin’izay ataony. Raha nankatò an’Andriamanitra izy mivady, dia ho lasa ray aman-drenin’ny olombelona rehetra, sady ho afaka niaina mandrakizay eto an-tany, araka ny fikasan’Andriamanitra.

Tia tena anefa ny anjely iray, ka notaominy hanao izay tiany ny olona. Lasa Satana, na “Mpanohitra”, io anjely io. Namitaka an’i Eva izy, ka nampiasa bibilava mba hilazana taminy fa ho tsara kokoa ny fiainany raha tsy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy. Tsy nihavana tamin’ny Mpamorona azy intsony i Adama sy Eva, rehefa nanaraka ny tenin’i Satana. Nanao safidy ratsy izy ireo, ka tsy afaka niaina mandrakizay. Lasa mpanota sy tsy lavorary ary mety maty koa ny taranany.

Tonga dia nolazain’Andriamanitra ny fikasany hanitsy an’ilay olana, mba hahafahan’ny taranak’i Adama hiaina mandrakizay. Nilaza izy fa hisy ‘taranaka’ iray handringana an’i Satana, ary hanafoana ny fahoriana vokatry ny zavatra nataon’i Satana sy Adama ary Eva. (Genesisy 3:15) Iza io ‘taranaka’ io? Ny fotoana no hilaza azy.

Nataon’i Satana foana izay tsy hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Vetivety dia niely ny fahotana sy ny faharatsiana. Nanapa-kevitra Andriamanitra fa handringana ny ratsy fanahy amin’ny Safodrano. Nasainy nanamboatra sambofiara i Noa, mba hamonjena azy mianakavy sy ireo biby nasainy nampidirina tao.

Nivoaka avy tao amin’ilay sambofiara ry Noa, herintaona taorian’ny nanombohan’ny Safodrano. Mbola tsy nipoitra anefa ilay ‘taranaka.’

Miorina amin’ny Genesisy toko 1-11; Joda 6, 14, 15; Apokalypsy 12:9.