Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: INONA AVY IREO LAINGA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA?

Lainga 2: Mistery Andriamanitra

Lainga 2: Mistery Andriamanitra

INONA NO INOAN’NY OLONA?

Ny fivavahana kristianina “telo lehibe, izany hoe ny Fivavahana Katolika sy Ortodoksa ary Protestanta, dia manaiky fa telo izay iray Andriamanitra: Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, ary Andriamanitra Fanahy Masina. Tsy hoe misy andriamanitra telo akory fa iray ihany izy telo ireo, araka ny fampianarana kristianina momba an’Andriamanitra.”—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy).

NY MARINA LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy nihambo ho mitovy amin’ny Rainy i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra. Hoy kosa izy: “Handeha ho any amin’ny Ray aho, fa ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Hoy koa izy tamin’ny mpianany iray: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.”—Jaona 20:17.

Tsy Andriamanitra ny fanahy masina fa hery ampiasain’Andriamanitra. (Genesisy 1:2) “Feno fanahy masina” ny Kristianina voalohany. Hoy koa i Jehovah: “Handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra.”—Asan’ny Apostoly 2:1-4, 17.

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Milaza i Karl Rahner sy Herbert Vorgrimler, manam-pahaizana katolika, fa ny Andriamanitra tokana olona telo dia “tsy ho fantatra raha tsy misy mampahafantatra, ary na efa misy mampahafantatra aza dia mbola tsy hazava ihany.” Afaka ny ho tia olona iray tsy azo fantarina ve ianao? Misakana ny olona tsy hahalala na ho tia an’Andriamanitra àry ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray.

Nahatsapa an’izany i Marco, ilay voaresaka teo aloha. Hoy izy: “Nihevitra aho fa nanafina ny momba azy tamiko Andriamanitra. Vao mainka hoatran’ny hoe mifono mistery izy ka sarotra tamiko ny nanatona azy.” Tiany hahalala azy anefa isika, ka tsy nafeniny tamintsika ny mombamomba azy. Hoy i Jesosy: ‘Izahay mivavaka amin’izay fantatray.’—Jaona 4:22.

Hoy i Marco: “Lasa afaka nifandray akaiky tamin’Andriamanitra aho, rehefa fantatro hoe tsy telo izay iray izy.” Ho mora amintsika ny ho tia an’i Jehovah raha mahalala tsara azy isika, fa tsy mihevitra azy ho mistery. Hoy ny Baiboly: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.