Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: MILA AN’ADRIAMANITRA VE ISIKA?

Nahoana Isika no Mila An’Andriamanitra?

Nahoana Isika no Mila An’Andriamanitra?

Milaza ny manam-pahaizana momba ny saina fa tsy ny zavatra ara-nofo ihany no ilain’ny olona mba hahasambatra azy. Izany no mahatonga ny olona te hiantehitra amin’ny hery ambony kokoa na te hanatratra tanjona. Mandany ny fotoana ialany voly amin’ny zavaboary, zava-kanto, mozika, na zavatra hafa izy ireo, fa mbola tsy sambatra ihany.

Tian’Andriamanitra ho sambatra dieny izao sy ho mandrakizay ny olombelona

Tsy mahagaga an’ireo mpamaky Baiboly ny hoe mila miantehitra amin’ny hery ambony kokoa ny olombelona. Milaza ny Genesisy fa rehefa avy namorona an’ireo mpivady voalohany Andriamanitra, dia nifampiresaka tamin’izy ireo sady namela azy ireo hifandray taminy. (Genesisy 3:8-10) Natao hiantehitra amin’ny Mpamorona àry ny olona, izany hoe mila mifandray aminy. Matetika ny Baiboly no miresaka an’izany.

Hoy, ohatra, i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Asehon’izany fa tsy ho sambatra na ho afa-po amin’ny fiainana isika raha tsy miezaka hahalala an’Andriamanitra. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Nahoana no mahasambatra sy mampisy dikany ny fiainantsika ny hevitr’Andriamanitra sy ny tari-dalany ao amin’ny Baiboly? Handinika antony telo isika.

Mila tari-dalana tsara isika

Maro izao ny manam-pahaizana manome torohevitra momba ny fifandraisana amin’ny hafa, fitiavana, fiainam-pianakaviana, fandaminana tsy fifanarahana, fahasambarana, ary hatramin’ny antony ahavelomantsika aza. Iza ankoatra an’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika, anefa no tena afaka manome tari-dalana tsara momba an’ireo?

Toy ny boky manazava ny fampiasana fitaovana iray ny Baiboly

Intỳ misy ohatra: Aoka hatao hoe nividy radio na fakan-tsary vaovao ianao. Manantena ianao  hoe hiaraka amin’izy io ny boky manazava ny fampiasana azy. Toa an’io boky io ny Baiboly. Avy amin’Andriamanitra, ilay namorona ny fiainana izy io, ary nomeny antsika mba hahaizantsika mampiasa tsara ny fiainantsika. Handray soa feno isika amin’izay.

Toy ny boky momba ny fitaovana iray ny Baiboly, ka mampitandrina antsika hoe inona no mety hanimba —ny fiainantsika. Mety hanoro hevitra antsika ny hafa, ary mety hahaliana sy ho mora arahina ilay izy. Hisoroka olana sy handray soa anefa isika raha ny torohevitry ny Mpamorona no arahintsika.

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!”Isaia 48:17, 18.

Afaka mahita ny tari-dalana sy ny fanampiana ilaintsika isika, ao amin’ny Baiboly

Na izany aza, dia tsy manery antsika hanaraka ny tari-dalany sy ny toromarika omeny i Jehovah Andriamanitra. Be fitiavana kosa izy ka miangavy hoe: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao. Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!” (Isaia 48:17, 18) Raha tsorina dia hoe ho tsara ny fiainantsika raha manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra isika. Midika izany hoe mila azy isika mba ho sambatra.

Mila fanazavana momba ny olana ankehitriny isika

Misy mihevitra hoe tsy mila an’Andriamanitra izy, satria be loatra ny olana nefa lazaina fa Andriamanitra dia fitiavana. Mety hanontany, ohatra, izy ireo hoe: ‘Nahoana ny tsara fanahy no mijaly?’ ‘Nahoana no misy zaza vao teraka dia sembana?’ ‘Nahoana no manjaka ny tsy rariny?’ Fanontaniana lehibe ireo, ary mety hanova ny fiainanao ny fahalalana ny valin’ireo. Aza maika hanome tsiny an’Andriamanitra àry, fa andao aloha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.

Miresaka momba an’i Satana ny Genesisy toko fahatelo. Nampiasa bibilava izy mba hampirisihana ny mpivady voalohany tsy hankatò ny didin’i Jehovah hoe aza mihinana amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Hoy i Satana tamin’i Eva: “Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”Genesisy 2:16, 17; 3:4, 5.

Te hilaza i Satana hoe mpandainga Andriamanitra sady tsy rariny ny fomba fitondrany. Te hilaza koa izy fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona raha manaraka ny teniny izy ireo. Ahoana no andaminana an’ireo adihevitra ireo? Navelan’i Jehovah handeha ny fotoana mba hahitan’ny rehetra raha marina ny fiampangana natao taminy na tsia. Amin’izay i Satana sy ny mpomba azy dia afaka manaporofo raha tena tsy mila an’Andriamanitra tokoa ny olombelona.

Inona no valin’ny fiampangan’i Satana, araka ny hevitrao? Afaka manana fiainana tsara ve ny olona raha izy samy izy no mifampitondra fa tsy misy an’Andriamanitra? Efa taonjato maro no  nanjaka ny fijaliana, tsy rariny, aretina, fahafatesana, heloka bevava, fitondran-tena ratsy, ady, fandripahana foko, sy ny sisa. Porofo tsy azo lavina ireny fa tsy mahomby ny fitondran’olombelona rehefa tsy misy an’Andriamanitra. Tsy milaza ny Baiboly hoe avy amin’Andriamanitra ireo olana ireo. Lazainy kosa ny antony lehibe mahatonga izany: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”Mpitoriteny 8:9.

Tsy hita avy amin’izany ve fa mila an’Andriamanitra isika? Tsy hoe mba hamaly an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina antsika ihany, fa mba hanome vahaolana koa. Inona no hataon’Andriamanitra?

Mila ny fanampian’Andriamanitra isika

Efa ela ny olona no tsy te harary na ho antitra na ho faty. Nandany vola be izy ireo, niezaka mafy, ary nandany fotoana mba hanatratrarana an’izany tanjony izany, nefa tsy nahita fahafaham-po. Misy indray mino hoe ho tanora lalandava izy raha misotro karazana tambavy na ranon-javatra, na mipetraka any amin’ny toerana iray. Diso fanantenana fotsiny anefa izy ireo.

Tian’i Jehovah ho sambatra ny olona. Izany no fikasany tamin’izy namorona azy ireo, ary tsy nanadino an’izany izy. (Genesisy 1:27, 28; Isaia 45:18) Manome toky izy fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany. (Isaia 55:10, 11) Milaza ny Baiboly fa haverina indray ilay Paradisa nafoin’ilay mpivady voalohany. Lazain’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa hofafan’i Jehovah Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Ahoana no hanatanterahany an’izany, ary inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’izany?

I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka mba ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Maro no miantso azy io hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Toy izao ilay izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Io Fanjakana io no hampiasain’i Jehovah mba hanafoanana ny fahoriana vokatry ny fitondran’olombelona, ary hitondra tontolo vaovao. * (Daniela 2:44; 2 Petera 3:13) Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hahita ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra?

Tsotra ny zavatra tokony hatao, araka ny tenin’ i Jesosy hoe: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Afaka manampy antsika hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao Andriamanitra. Antony iray ilantsika azy izany.

Fotoana hanatonana an’Andriamanitra izao

Tao amin’ny Areopago, na Havoanan’i Marsa, tany Atena ny apostoly Paoly, roa arivo taona lasa izay. Hoy izy momba an’Andriamanitra tamin’ireo Atenianina nalala-tsaina: “Izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra. Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika, araka ny voalazan’ny poety sasany eo aminareo hoe: ‘Fa naterany koa isika.’”Asan’ny Apostoly 17:25, 28.

Mbola mitombina foana io tenin’i Paoly io. Ny Mpamorona no manome antsika rivotra sy sakafo ary rano. Tsy ho velona isika, raha tsy eo ireo zava-tsoa avy aminy. Nahoana anefa izy no mbola mamelona ny olon-drehetra, na mieritreritra azy izy ireo na tsia? Mamaly i Paoly hoe: “Mba hitadiavan’ireo azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.”Asan’ny Apostoly 17:27.

Te hahafantatra an’Andriamanitra bebe kokoa ve ianao? Tianao ve ny hahalala ny fikasany sy ny toroheviny mba ho sambatra ianao dieny izao sy ho mandrakizay? Miresaha àry amin’ilay olona nanome anao an’ity gazety ity, na manorata any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho faly izy ireo hanampy anao.

^ feh. 20 Misy fanazavana fanampiny mahakasika ny fomba hanatanterahan’ilay Fanjakana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany ao amin’ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy an’io boky io koa ao amin’ny www.dan124.com/mg.