Ry Sombin’ny Aiko
Haka:
1. Tonga soa, ry sombin’ny aina
Fa nahita ny maraina.
Etsy ange hotrotroiko. Eo fa ianao tsy hafoiko,
Sombin’ny aina.
2. Tiako ianao, ry sombin’ny aiko,
Satria lova avy amin’ny Raiko.
Ny ho tsara famindra, ’zay no iriko ho anao ’ndrindra,
Sombin’ny aiko.
(Tetezana)
Ao ’lay tontolo vaovao,
Nokalin’i Jehovah ho ahy sy ho anao!
Dia hiara-hankafy riandrano,
Hilomano, hilalao liona kely.
Ho fiainanao ’reny!
3. I Jehovah ry sombin’ny aiko
Mba te ho Namanao ka raiso.
Ianao ’nge hotrotroiny. Eo fa ianao tsy hafoiny.
Sombin’ny aiko.
Ry sombin’ny aiko!
’Lay sombin’ny aiko!