Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mihavàna Amin’ny Olona Rehetra’

‘Mihavàna Amin’ny Olona Rehetra’

Haka:

  1. 1. Rehefa mandeha eny aho, ’zay hita rehetra toa tezitra avokoa.

    Tonga ny androany, ny olana tsy lany, ka mafy ny manjo.

    Fa Jehovah anefa efa nanoro: ‘Ny fonao halefaho.

    Dia na rahoviana, mivavaha mangina, ny haratsiam-panahy ialao!’

    (FIVERENANA)

    Na dia romotra aza ’zao tontolo izao, dia aza manao toa azy.

    Na tsy mora aza iezaho, dia ho hitanao: Tontolo vaovao sahady!

  2. 2. Rehefa miasa indray aho, tsy misy ahiahy, nefa kelikely ao aoriana,

    Mipoaka ny ady, dia eo mitady ’zay havaly amim-pahatoniana.

    Misy teny iray tsaroako tany ho any hoe aza entim-po

    Na ho maika hitsara, fa mba diniho tsara sao izy kivy na miasa loha.

    (FIVERENANA)

    Na dia romotra aza ’zao tontolo izao, dia aza manao toa azy.

    Na tsy mora aza iezaho, dia ho hitanao: Tontolo vaovao sahady!

    (TETEZANA)

    Sahia miavaka amin’ny maro,

    Fa Jehovah anie eo mba hiaro.

    ‘Andriamanitry ny fiadanana’ izy,

    Ary ‘hiambina ny fo’ tsy ho kivy.

  3. 3. Faran’ny herinandro dia mitory indray, fa misy anie ny tsy faly,

    Tsy ahafaha-manazava fa mivazavaza, k’aleo ’loha tsy mamaly.

    Efa haiko indray hoe ’lay liona io, ka aleo miala avy hatrany.

    Hoy ’lay teny iray: ‘Rehefa tsy misy kitay dia ny afo ho faty eo ihany!’

    (FIVERENANA)

    Na dia romotra aza ’zao tontolo izao, dia aza manao toa azy.

    Na tsy mora aza iezaho, dia ho hitanao: Tontolo vaovao sahady!

    (FIVERENANA)

    Na dia romotra aza ’zao tontolo izao, dia lasa miharatsy toetra,

    ‘Raha mbola azonao atao’, n’aiza misy anao, ‘mihavàna amin’ny olon-drehetra!’