Atokako ho Anao ny Fiainako
Haka:
1. Ny alina aho mahita ireny
Kintanao mamiratra eny.
Ianao no tsaroako, feno anao ny foko.
Vao mainka ianao tsy foiko.
2. Ianao tsy hamitaka ahy,
Raha omeko anao ny foko.
Ka mivoady aho ’zao fa ho tia anao,
Ary ianao tsy mba hosoloiko.
(FIVERENANA)
Nomenao toky aho fa
Tia ahy ianao,
Nanova ahy hoatr’izao.
Sady efa maty ho ahy
’Lay Zanakao.
Atokako ho anao
Ny fiainako, ho anao.
3. Iny tara-masoandro iny,
Fanomezanao androany.
Hafa mihitsy raha ny fiahianao ahy,
Tsisy mamiko hoatr’izany.
(FIVERENANA)
Nomenao toky aho fa
Tia ahy ianao,
Nanova ahy hoatr’izao.
Sady efa maty ho ahy
’Lay Zanakao.
Atokako ho anao
Ny fiainako, ho anao.
(FIVERENANA)
Nomenao toky aho fa
Tia ahy ianao,
Nanova ahy hoatr’izao.
Sady efa maty ho ahy
’Lay Zanakao.
Atokako ho anao
Ny fiainako, ho anao.