Tsy Handao Anao Aho fa ho Namanao
Haka:
1. Maizina ny aleha.
’Zay ratram-po tsisy hoatr’izao.
Tsy mba nampoizina fa mafy anie!
Mitomany sisa azo atao.
Jehovah anefa miahy,
Izy lehibe noho ny foko.
Raha izy no ialofako, tsisy hampanahy.
Tsy ho lavo aho, tsy mba hitoloko.
Tsy foiny izaho sy ianao
Na manan-talenta, na hoe tsy mahay.
Raha misy mitalaho,
’Ndao mba hanao hoatr’azy indray.
(FIVERENANA)
Ianao eo foana, tsy manary ahy ’zany
Na dia hoe mangidy, fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao
Rehefa sendra ankaso, raha latsa-dranomaso,
Dia ’zaho tsy handao anao,
Fa ho namanao.
2. Ianao raha malahelo,
Reraka tsy misy antenaina,
Ireo ady mafy izay tsy tantinao
Dia hiarahantsika zakaina.
Jehovah no hampitraka.
Hositraniny ianao, hotsaboiny ireo fery.
’Zaho koa ho sandrinao,
Hanome tanana, hampahery.
(FIVERENANA)
Ianao eo foana, tsy manary ahy ’zany
Na dia hoe mangidy, fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao
Rehefa sendra ankaso, raha latsa-dranomaso,
Dia ’zaho tsy handao anao,
Fa ho namanao.
(FIVERENANA)
Ianao eo foana, tsy manary ahy ’zany
Na dia hoe mangidy, fa tsy hoe mamy ihany.
Ary ianao
Rehefa sendra ankaso, raha latsa-dranomaso,
Dia ’zaho tsy handao anao,
Fa ho namanao.